Psalms 102

Fitarainan’ ny mpanompon’ Andriamanitra noho ny fahoriana nahazo azy sy ny naharavan’ i Jerosalema

Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan’ i Jehovah.

1

2Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako. 3Aza manafina ny tavanao amiko amin’ ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin’ ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy. 4Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana. 5Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza. 6Noho ny fisentoan’ ny foko Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro. 7Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo. 8Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano. 9Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana. 10Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko, 11Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray. 12Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho. 13Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby. 14Hianao hitsangana ka hamindra fo amin’ i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana. 15Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy. 16Hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany hatahotra ny voninahitrao; 17Fa Jehovah nanangana an’ i Ziona; Niseho tamin’ ny voninahiny Izy; 18Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany. 19Hosoratana ho an’ ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an’ i Jehovah; 20Fa Izy nitazana tany amin’ ny fitoerany masìna any amin’ ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan’ i Jehovah ny tany, 21Mba hihaino ny fisentoan’ ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty
Heb zanaky ny fahafatesana.
,
22Mba hotorina any Ziona ny anaran’ i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema, 23Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an’ i Jehovah. 24Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy; 25Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan’ ny androko; Ny taonanao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby. 26Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan’ ny tananao ny lanitra. 27Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy; 28Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra. 29Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay
Na: dia mbola haharitra.
, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.
Copyright information for Mg1865